VAVAKA (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O, mba henoy izao ry Ray ny fitarainanay
Fa tena mafy ny manjo, ka mampamoy fo
Horohoro foana ve no hitanay sy re?
Ampio izahay hahery fa mila ho ketraka

Ao Aminao ihany no misy fiadanana,
Ao Aminao ihany no misy fitsaharana
Ka hamaivano ny zioga mitambesatra aminay
O mba jereo ka midina ampio ny olonao
O mba vonjeo k’aza ariana trotroy an-tratranao

Mandrapahoviana Ray, no hafoizanao anay
Fa tena tsapanay tokoa, mijaly mahavoa
Fahatezeranao ve? No enti-manafay
Angamba tsy ho zaka fa tena mahamay

Ao aminao ihany no misy famelana
Ka mamindra fo ry Tompo ô, fa diso izahay
Ka hamasino, hamarino ho mendrika Anao
Tsy haditr’intsony ka mifona ratsy ny natao
Ô mba henoy ka valio izany vavakay.

Amen
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Vangy : 1369
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : akoniziona
Daty : 09/01/2017 14:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1951