Vavaky ny malagasy (Anjomaran'ny Fitiavana)

Jesoa ooo apetrakay ho eo am-pelatananao
Ity Madagasikara,izay osa sy mbola mahantra
Nefa maro ireo harena,toy ilay tao saha edena
OOO tahio ny malagasy,hankato Anao hatrany

Raiko oo henoinao re,izao vavaka hasandratray
Ka omeo fitahiana,ilay fahasoavanao no irina
OOO fongory izay mangenja sy ny kiakan'ny malagasy
Zay mitady famonjena,miantso mafy tsy voafetra

Fiv:
EE mifona mitalaho,f'efa diso tsotr'izao
Tsiky dia ampyOmeo hery avy Aminao,handrosoan'ity nosy ity
Ka hiadana izahay re,ary handry fahizay

Tompo ooo ampariaho,izao akom-bavaka izao
Ka tantano sy vimbino,ity vahoaka mitalaho
Ampianaro hiavo-tena,hanasoa ity firenena
Ka hanoa ny sitrakao,amin'izao sisa izao

Fiv
EE mifona mitalaho,f'efa diso tsotr'izao
Omeo hery avy Aminao,handrosoan'ity nosy ity
Ka hiadana izahay re,ary handry fahizay  anie
Ka hatreto kosa indray re,ho vahoakanao izahay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Mpamaky : 171
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : miorahajavolamena28
Tamin'ny : 13/02/2018 14:02:50
ID : 10373

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo