Tsara ny mihira ho an'Andriamanitra (Faneva faha 5 taona ny antoko mpihira Anjomaran'ny Fitiavana) (Anjomaran'ny Fitiavana)

Tsara indrindra Ianao ry Ray
Saotra dera no hasandratray re
Raiso fa mendrika Anao
Ny voninahitry ny Anaranao

Mampianara anay ry Jesoa
Ho tena miaramilanao
Tafio hery avy Aminao
Mba ho irakao hizara ny teninao

Ref: Haleloia, fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika
        Hitory hatrany, ny famonjena avy Aminao
        No hany tarigetranay
        Haleloia, fTsiky dia ampya tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika
        Hitory hatrany, ny famonjena avy Aminao
        Ilay Anjomaran'ny Fitiavana

Ndreto izahay ry Tompo
Aoka hamiratra amin'ny finoana
Hamafy ny teninao, hanoa hatrany
Hanao ny sitrakao

Vonona hizara ny teny
Ka hiaina ny famonjenao
Hanolo-tena tokoa, ho mpianatrao
Ho mpiray lova Aminao

Ref: ....



Tonony sy feony : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Mpamaky : 235
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : miorahajavolamena28
Tamin'ny : 11/06/2018 20:59:38
ID : 10665

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo