RAISO HO ANAO (Anjomaran'ny Fitiavana)

RAISO HO ANAO

1- Reko izao lay feonao miantso hoe :
   "Avia manao Ahy ny fo voadona.
   Koa matokia fa izaho tsy handao anao
   Na ny aiko afoiko ho anao fa anjaranao".

Fiverenana:
  Tompo ô, inty aho
  raiso ho Anao
  Ny momba ahy rehetra
  Raiso ka anjakao
  Adinoy avokoa ny momba ahy taloha
  Vonona aho ry Jesoa ho mpanomponao.
  Fantatrao Tomposoa ny ato anatiko
  Tiako ianao ry Jesoa hoTsiky dia ampy Tompoko.

2- Minoa aho fa raha Ianao no itarika ahy
   Dia tsy anana ahiahy ny ao anatiko ao
   Mandroso aho ho tena tafikao
   Meteza Tompo tia ô ho mpitondra ahy.

Reo tebiteby sy ny adi-tsaina
mety hamitaka ahy
Ny hazavanao tsy tombo isaina
No iriko handrakotra ahy.

  Fantatrao Tomposoa ny ato anatiko
  Tiako ianao ry Jesoa ho Tompoko.

Chorale Anjomaran'ny Fitiavana Toamasina
A/C : RAMANANKILANA Henintsoa
By Rhado

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Mpamaky : 198
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Anjomaranyfitiavana
Tamin'ny : 07/03/2018 12:02:58
ID : 10402

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo