NY HATSARANAO (Anjomaran'ny Fitiavana)

NY HATSARANAO

1/Feno hafaliana ny ao am-ponay
Vao nandre ny hatsaranao
Fa toa misy hery ny fo sy fanahy
Hoe Ianao tsy mba mandao
Tapitra hatreo ny hakiviana mianjady
Saika nampamoy fo
Dera, laza sy saotra ho Anao
Ry Ray be indra fo.

Refrain:
Fa tsara Ianao
No mpanao ny tsara koa
Derainay Ianao
Tsy sasatra mizara soa
Tsy isy atakaloko Anao re ry Tompo
Izay mety fianaina an-tany ety.

2/Akaikinao Ray no mahatsaTsiky dia ampyra ahy
Vatolampiko Ianao
Raha sendra ady sarotra aho indraindray
Dia hatoky indrindra Anao
Izay efa niainako taminao izay
Dia ampy dia ampy tokoa
Ilazao amin'izao rehetra izao
F'Ianao 'lay Tompo soa.

Refrain...

'Zao rehetra izao
manambara avokoa ny hatsaranao
Tsisy azo oharina Aminao
Raha izao, 'zao tontolo izao.

Musique

Fa tsara indrindra Ianao
Tsara indrindra Ianao
Fa tsara indrindra Ianao.

A/C: RAMANANKILANA Henintsoa
By Rhado

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Mpamaky : 104
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Anjomaranyfitiavana
Tamin'ny : 14/07/2017 10:42:25
ID : 9771

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo