NDEHA HANAO FIDERANA (Anjomaran'ny Fitiavana)

Slam {Han Anjomara midera hein
Mankalaza ny Anaranao
Yeah te hitory ny hatsaranao
Han Ray malala ... ny ambony yeah}

Ny herinao no mahatoy izao anay
Mijoro hatrany hatrany fa mpianatry ny Ray
Na dia sarotra izay nodiavina teo Ianao
Ny tànanao natsotranao mba hitantana
Namaly ny antsonao vavolombelona aho
Ka ny feo fiderana no asandratray ho Anao.

Midera Anao, mankalaza Anao 'zahay
Fa tsara Ianao, hira no atolotray
Talentanay eo am-pelantananao
Ny feonay natao hidera Anao.

Slam {Ha ha Yeah
Misaotra Anao Ry Tompo
Masonao mitompy
Fitiavanao mitombo
Indro asandratray feo iray mitempo
Tsapanay ny hery avy aminao isan'andro
Ilay hatsaranao mamiratra otran'ny masoandro
Mendrika ho deraina, mpanjaka malaza
Ny talenta avy aminao hitondran'ny mazava
Atolotray ho anao vetson-kira tsara
Ny hery avy aminao hitsofanay ny anjomara}
}

Ny faniriana ato anaty efa fantatrao
Hitombo hatrany hatrany ny fiderana hatao
Indro atolotro ho Anao ny foko
Ka ny Fanahinaotononkira.serasera.org hitoetra ato anatiko
Ankinina Aminao ny fankalazana atao
Voninahitra anie Ray ho Anao mandrakizay.

Midera Anao, mankalaza Anao 'zahay
Fa tsara Ianao, hira no atolotray
Talentanay eo am-pelantananao
Ny feonay natao hidera Anao.
Fa tsara e, tsara mihira ho an'Andriamanitsika
(Haleloia, haleoia)
Dia ny ety  hatrany
Tsy misy fiafarany.

Slam {Yeah Anjomaran'ny Fitiavana
'Ndeha hanao fiderana
Dera, laza ho an'ilay mpanjaka malaza
Tompon'ny tantara, fitarikandron'ny mazava
Mihira fiderana ho an'Azy
Miadana sy sambatra ireo izay manana Azy}

Midera Anao, mankalaza Anao 'zahay
Fa tsara Ianao, hira no atolotray
Talentanay eo am-pelantananao
Ny feonay natao hidera Anao.
Fa tsara e, tsara mihira ho an'Andriamanitsika
(Haleloia, haleoia)
Talentanay eo am-pelantananao
Ny feonay natao hidera Anao.

(Bà gasy) Fa tsara, fa tsara, fa tsara
Mihira ho an'Andriamanitsika
'Ndeha hanao fiderana

A/C: Rhado sy Henintsoa
Anjomaran'ny Fitiavana feat. SAIJY SKAS.

Hira faneva faha-5 taona (2)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Mpamaky : 63
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Anjomarany_Fitiavana_Toamasina
Tamin'ny : 13/09/2018 23:06:54
ID : 10969

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo