MIANKOHOKA AMINAO (Anjomaran'ny Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro zahay Tompo ô voaharinao
Manadratra ary koa mitsaoka Anao
Matoky ny fanatrehanao ny fiainanay
Marina sy masina ary koa tsy miova Ianao

1-Indro zahay Tompo ô voaharinao
Manadratra ary koa mitsaoka Anao
Matoky ny fanatrehanao ny fiainanay
Marina sy masina ary koa tsy miova Ianao

Refrain1:
Miankohoka Aminao izahay ry Tomponay
Heniky ny voninahitrao izao rehetra izao Ray
Tondray ny herinao zahay
Tazony mafy, miandrandra Anao
Atsangano hahery hatrany Aminao Ray.

Musique + Soratra Masina

2- Very tokoa izahay raha lavitra Anao
Koa alofy Tompo ô! Ho aroanay
Tafio hery avy Aminao
Handresy hatrany amin’ny ady izay atrehinay
Momba anay

Refrain2:
Miankohoka Aminao izahay ry Tomponay
Heniky ny voninahitrao izao rehetra izao Ray
Tondray ny famindram-ponao izahay
Tazony mafy, miandrandra Anao
Atsangano hahery hatrany Aminao Ray.

Miankohoka Aminao izahay ry Tomponay
Heniky ny voninahitrao izao rehetra izao Ray
Tondray ny famindram-ponao izahay
Tazony mafy, miandrandra Anao
Atsangano hahery hatrany Aminao Ray. (2 fois)

A/C: RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Rhado
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Vangy : 1540
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anjomaranyfitiavana
Daty : 13/07/2017 19:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1187