JESOA NO TSY MANDAO (Anjomaran'ny Fitiavana)


1) Mandalo ady mafy raha tojo fitsapàna
    Ilay fiainanao, 'Lay tokana ihany
   Jesoa no tsy mandao.  
   Tefeny mba hiova ho olom-baovao,
   Mahery sy voasedra, fanasina, fanilo
   Ka ho tara-pahazavana hijoro sy hitsilo.


Ianao Ry Kristy,
Mpamonjy sy Mpiahy
Tariho hatrany tsy ho kivy akory
Ity manomponao ity.
Ny Tompo no hiady
Fa ianao kosa hangina
Tazony ny finoana.
Na inona hidona
Jesoa no tsy mandao anao.

2) Raha tonga ny tafiotra ka Tsiky dia ampyfeno fanahiana
    Izao no tsarovy 'Lay tokana ihany
   Jesoa no tsy mandao.
   Toa vesatra tokoa, 'ty hazo fijaliana
   Ny Tompo no mitoetra anilanao hatrany
   Fitia tsy misy fetra.

Ianao Ry Fanahy,
'Lay Mpanalàlana
Tariho hatrany tsy ho kivy akory
Ity manomponao ity.
Ny Tompo no hiady
Fa ianao kosa hangina
Tazony ny finoana.
Na inona hidona
Jesoa no tsy mandao anao.

Tsarovy hatrany
Fikiro Jesoa
Fa Izy tsy mandao anao.

A/C : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Rhado

    

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Mpamaky : 133
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : miorahajavolamena28
Tamin'ny : 29/04/2018 09:32:52
ID : 10564

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo