IRAKA AN'I KRISTY (Anjomaran'ny Fitiavana)

1) Ô! Mba mifankatiava rey olona
fa izany no toetran'ny Tomponao ka tsarovy,
Fa navelany teo ny helokao
Nofafany tsy hisy ny otanao, ho voavonjy.
Izao isika izao tokoa anie
No ilay iraka an'i Kristy.
Ka mba ho iray fo sy saina ary fanahy koa.

Fiv:
Ô! Mifalia (Ô! Mifalia) sy mihobia (sy mihobia)
Fa efa tonga ilay Mpamonjinao.
Koa mitsangana ka efao ny anjaranao.
Fa Jesô Kristy no avotrao
Fitiavana mandrakizay noTsiky dia ampy itiavany anao
Itafio ny Tompo.

2) Ô! Vonjeo ireto vahoakanao,
Mila ho rendrika tsy hita izay atao, te hijoro.
Ahinjiro ny tàna-maherinao,
tafio hery tokoa izay atao re Ry Jesô.
Ho mpandresy hatrany tokoa anie
Ireto iraka an'i Kristy.
Ka mba ho iray fo sy saina ary fanahy koa.

Fiv : ...

Fa Jesô Kristy 'lay aronay
Dia Izy ihany no hamonjy anao

Ka aoka isika hiroso hatrany mandrakizay. (2 fois)

A/C: RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Rhado


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Mpamaky : 113
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Anjomarany_Fitiavana_Toamasina
Tamin'ny : 13/09/2018 23:05:46
ID : 10972

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo