ILAY LALAM-PAMONJENA (Anjomaran'ny Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Ray malala ao ambony
Nafoinao ny zanakao le
Dia ilay Jesoa Tompo sy Mpamonjy
Novonoina hisolo ny helokay
Hé resinao anie ry Tompo
Ny fahafatesam-pahotana
Koa hasandratray anie ry Jesoa
Voninahitra ho Anao ry Ray

Solo:
Ny rà nalatsakao Jesoa
No nanavotanao anay
Tao anaty lotom-pahotana
Noho ny fitiavanao tokoa
Reo diankapoka taminao
No manasitrana anat
Vita koa ilay lalam-pamonjena
Hahaizanay mitoetra ao Aminao

Ny helokay anie ry Tompo
No nanamelohana Anao
Eso latsa tsy nahoako
Hoy Ianao nifona ho anat
Ka dia nekenao ny ho faty
Nitondra ny helokay mpanota
Misaotra Anao zahay ry Tompo
Fa Mpandresy izay ao Aminao

Mpandresy izahay,ao Aminao
Mpandresy izahay ao Aminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Vangy : 1029
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : miorahajavolamena28
Daty : 29/04/2018 09:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3578