IANAO JESÔ (Anjomaran'ny Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) 'Zao isika 'zao tafaray nohon'ny fitiavany
Dera ho Azy fa Mpamonjy Izy.
Sambatra ny foko sy fanahy
Dera anie dia ho Anao
Fa nanetry tena Ianao ho ahy.

2) Misy hafanana iray teraka ao am-poko ao
io 'lay hery izay mampitraka ahy.
Sambatra ny foko sy fanahy
Dera anie dia ho Anao
Fa nanetry tena Ianao ho ahy.

Fiv: Ravo ery ny fo, tretrika tokoa
Tonga Ianao Jesô
ampitraka ireo zay mitanondrika
Raha mbola misy koa
Dera, laza, voninahitra
Ho Anao Jesô
Anio, rahampitso, ho mandrakizay.

3) Tsaroko izao fa Ianao
'Lay nihafy mba ho ahy
Hahatanteraka famonjem-panahy
Sambatra ny foko sy fanahy
Dera anie dia ho Anao
Fa nanetry tena Ianao ho ahy.

Fiv : ...

(Mozika)

Fiv : ...

Ity andro ity Ray lafatra tokoa
Namonjena fanahy, nampiova fo
Mpanjaka Ianao Jesô
Nefa nafoinao ny lapanao
Ho famonjena ahy.

Fiv: ...

A/C: RAMANANKILANA Henintsoa
By Rhado
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Vangy : 880
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anjomarany_Fitiavana_Toamasina
Daty : 13/09/2018 23:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773