FA TSARA JEHOVAH (Anjomaran'ny Fitiavana)



1/Tandremo fa miserana ny hatanorana
Mahaiza mifidy 'zay lalan-kombana
fa Jesosy Tompo no tsara indrindra
Hanome fiainana tena mirindra
Izy no ampinga sy andrin'ny fo
Hiantoka ny momba anao
fa Jesosy Tompo no tsara indrindra
Hanome fiainana tena mirindra
Koa hevero tsara 'zay tokony hatao
Sao diso famindra.

Refrain:
Koa raiso Jesosy ho fiadananao
Ho Tompo sy hery hitantana anao
Handresy ireo adinao
Andramo izahao fa tsara Jehovah
Hatrizay hatrizay Izy tsy mba miova
Derao dia ho sambatra ianao.

2/Be zay ireo ditra sy iTsiky dia ampyreo hadalana
Mamitaka antsika mahabe fahotana
fa Jesosy Tompo no tsara indrindra
Hanome fiainana tena mirindra
Izy no ampinga sy andrin'ny fo
Hiantoka ny momba anao
fa Jesosy Tompo no tsara indrindra
Hanome fiainana tena mirindra
Koa hevero tsara 'zay tokony hatao
Sao diso famindra.

Refrain...

Ankehitriny aho Jesô dia vonon-kiova
Veloma ny ditrako taloha dia aoka ho handova
'Lay fiadanam-po sy fitiavana feno tokoa
Hiara-dia amin'ny Tompo tsitoha
Tena kanto sy soa.

Refrain...

A/C: TAHINARILALA Lazanirina
sy RAMANANKILANA Henintsoa

By Rhado

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Mpamaky : 127
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Anjomaranyfitiavana
Tamin'ny : 14/07/2017 10:52:37
ID : 9772

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo