Fa tsara indrindra Ianao (Anjomaran'ny Fitiavana)

Ry Jesoa ooo, henoy ny vavakay
Miantso Anao, ary koa mitalaho re
Jereo amin'ny fitiavanao
Tafio ilay fanahy mahery avy Aminao

Fiv: Asandratray ho Anao, dera laza izao
       Ry Jesoa Kristy Tompo
       Fa tsara indrindra Ianao no miaro ny olonao
       Miahy izao rehetra izao

Tario lalana izahay ry Jesoa
Vimbino ho ao Aminao
Ampianaro hankat├▓ Anao
Ka mba hahery ao Aminao
Tantàno koa izahay ry Jesoa
Hahay hanara-dia Anao
Tafio fanahy mahery tsy ho lavo
Mpandresy hatrany ao Aminao

Fiv:     ....

Havaozy hatrany tononkira.serasera.orgizahay ry Jesoa
Mba hihavao ao Aminao
Tolory fo madio mendrika Anao
Hitoetra hatrany ao Aminao
Arovy koa izahay ry Jesoa
Fenoy ny fahasoavanao
Tolory fahendrena anikoa
Mpandresy hatrany ao Aminao

Bass: Fa tsara anie midera an'i Jesoa
           Fa tsara anie mitsaoka Azy koa
           Fa Izy anie no Tompon'ny Tompo
           Ny laza asandra(tra)  asaandratra re
          
Fa tsara anie midera Azy
Handao isika hitsaoka sy hankalaza koa
Jesoa anie, 'lay mpamonjy
Mpanjakan' ny mpanjaka he Hosana


Tonony sy feony : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anjomaran'ny Fitiavana
Mpamaky : 243
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : miorahajavolamena28
Tamin'ny : 13/06/2018 13:05:13
ID : 10669

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo