Ataoko ho ampy (Andry Zo MTA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na mafy ho ahy
Ny ho namanao dia ataoko ho ampy
Ampy hifaliana
Satria faniriana
Faniriana ihany ny hitia anao
F'angamba tsy izaho
Ilay natao ho anao
Matoa nofy ihany izay nokasaiko hatao
Satria ny fo
Dia tia tokoa
Fa tsy anjarako ianao
Efa niezaka aho
Nataoko izay mety mba hampitodika anao
Nefa indrisy toa tsy ampy zay nataoko
Na niezaka aho
Ref:
Fa raha ny amintsika
Dia ho nofy ihany,tsy mba ho tantara
Fa izao no aza adino
Izaho namanao tsy mba manary
Na dia marary
Eo foana aho,mba ho anao,tia anao
Hiafiko ihany
Ataoko ho ampy ahy
Ny ho namanao

Any andro iray
Raha sendra tomany ianao dia tsarovy
Fa misy any ho any
Fitia tsy mba lany
Miandrandra ny ho avy eo anilanao
Fitia tsy mba miova
Fiatia tsy mba maty
Fa mandoro foana ny ao anaty
Dia noho ianao,fitiavako anao
Mbola hiandry anao aho...
Ref:....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Andry Zo MTA
Vangy : 712
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mitiart
Daty : 25/04/2019 13:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715