Rahoviana no hipaika ? (Andrianary Ratianarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rahoviana no hipaika
Itony andro nandrandraina ?
Fa ny foko, ny foko anie ka maika
Maika, te-hihira, hihira ny maraina.

O ry andro mba tongava
Hivimbino voninkazo
Fa miandry, miandry lalandava
Miandry sady te-hahazo.

Rahoviana no ho heno
Itony tsantam-pifaliana ?
Fa ny foko te-ho feno
Tsikitsikin'olon-tiana.

Izany foko manantena
Tsy hitsahatra hiahy
O ry andro volamena
Aza manalavitra ahy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Andrianary Ratianarivo
Vangy : 4983
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/02/2015 01:05
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192