Hialako tsiny (AnaY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza avela hifoha intsony
ireo tantarantsika efa novonoina
avelao hivalona any
fa niaina ireny aza nampitomany
koa miala tsiny aho
raha anosika indray ilay fitiavanao
na dia miaina ny mafy aza
sy mizaka olana ary amin'zao fotoana izao
dia aleoko ihany amin'zao

hatrizay aho niandry foana
sy nanantena fa ho avy ihany ianao
saingy misy fetra ihany
ny fotoana koa mandeha be ihany
koa miala tsiny aho
raha handositra indray ilay fitiavanao
na dia miaina ny mafy aza
sy mizaka olana ary amin'zao fotoana izao
dia aleoko ihany amin'zao



Tonony sy feony : Tams Rasamimanana
ALBUM "ATRIKA" ANAY 2015
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AnaY
Vangy : 2638
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/04/2015 10:44
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113