SOA JESO FA EO IANAO ... (AMPIFITIA)

Mpihira : AMPIFITIA
Mpamaky : 4380
Nampidirin'i : leon
Tamin'ny : 24/08/2011 17:42:26
ID : 6025

Imprimer Facebook Facebook
   He manonja e manonja ô,ny onjam-piainana
   Ka mila ho rendrika ny sambokeliko
   Izay jereko haizim-pito, takon-dava ny ampitso
   Iza re ? ô iza? no hamonjy ahy
          Soa Jesô fa eo Ianao Mpamonjiko, Mpanavotro
          Atsotrako Jesô ny tanako,avoty aho raha sitrakao
          Anaro re Jesô ny rivotra hangina tsy handrivotra
          Teneno  Jesô ny haizim-be hisava io raha vao mandre
He mafaitra ka tsy laitra izany fahoriako
Ka mila hankarary sy mila hampamoy fo
Fitsapana mazana tokoa ady mankarary an-doha
Iza re? ô iza ? no hamonjy ahy
          STsiky dia ampyoa Jesô fa eo Ianao nandresy izao tontolo izao
          Sokafako Jesô hidiranao ny foko ka dia hanjakao
          Sao mantsy ka ny otako no antok'izao sedra izao
          Hifonako Jesô ka avelao raha ankaso kosa dia ravao
He manonja ka tsy tondra itony zioga entiko
Kamila hanapaka ny fara hatoko
Fa ny tafik'i satana tsy misy fiafarana
Iza re?ô iza? no hamonjy ahy
         Soa Jesô fa eo ianao izay mpandrava sarotra
         Ka azo antoka fa tsy mandao Mpiandry tsara Matotra
         Ka ny manjo an-koditro ny tafik'ilay rafiko
         Hisava Jesô ho dila ireny raha vao Ianao no miteny

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo