Fahano ny ondriko (AMPIFITIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa raha niantso
Niantso ahy sy ianao
Raha nanirak'Izy
Tsy mandeha amin'izao
Fa manome hery fahefana
Mba hanaovantsika ny asany
Ny fanahy maloto
Dia nivoaka tokoa
Ny aretin-drehetra
Ny rofiko
Misinda avokoa avokoa
Amin'ny Anaran'i Jesoa

Fahano ny ondriko
Hoy Jesoa amiko sy aminao
Andraso ny ondriko
Sao manao tsy fanao
Fahano ny ondriko
Ambeno, raha lavo areno
Mbola hoy Jesoa
Fahano ny ondriko
Tsy hihinakinam-poana
Andraso ny ondriko
Mba tsy hanjônjôna
Fahano ny ondriko
Tandremo, raha mania avereno
Ireo ny ondrikeliko
Izay sakaizako

Jesoa raha niantso
Nanafatra hoe
Ndehana torio
Fanjakana lehibe no efa akaiky
Jereo koa mibebaha ianareo
Ary aza manahy na koa matahotra
Fa Jesoa hambomba sy hanavotra
Ka dia hampandresy mifanesy
Izay manao tsara ny asany
Fa hoy Jesoa

Fahano ny ondriko
Aza ampiadiana
Andraso ny ondriko
Aza ampifandrafiana
Fahano ny ondriko
Tantano, raha miady ampihavano
Mbola hoy Jesoa
Fahano ny ondriko
Fadio ny zara vilana
Andraso ny ondriko
Aza mitongilana
Fahano ny ondriko
Tsarovy rehefa ondry mitovy
Fahano andraso (Fahano andraso)
Fa novidin-dafo (Fa novidin-dafo)
Ny Tompo miteny (Ny Tompo miteny)
Mba tsy hisy ho very
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIFITIA
Vangy : 7790
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : kasimodo
Daty : 03/09/2012 16:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754