Eny (AMPIFITIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
De arakarakan'ny handrosoanay
Manao ny asanao
Ray ô no ahatsapanay
Fa romotra aminay
Vinitra aminay koa
Lay satana ratsy
Lay be lolom-po
Lay fahavalon'ny asanao
Ry Ray Tsitoha
Ka manao izay ho afany
Manakana anay
Tsy hanompo Anao 'zay Andriamanitray
Ianao fantany
Ny ho mandrakizay

Raha momba ny asanao (eny eh)
Ekenay atao(eny eh)
Na iza ho be lazao (eny eh)
Ny eninay tsy ho lao (eny eh)
Fa ny anay dia eny moa (eny eh)
Eny Ambava sy am-po
Eny ho doria
Hitory Anao Jesoa tia
Ka na iza handrafy anay
Noho ny asanao Ray
Ho reraka eo izy
F'izahay tsy ho kivy
Tsy ho resy
Tsy hitory hatrany ny fitiavanao

Fa arakarakan'ny hitorianay
Anao tokoa Jesô
No hitomboanay hery
Finoana miavosa eh
Toky tsy kanosa
Ireo no enti-mandresy
'Lay devoly fetsy
Satana mangidy
Mpanao ambozizy
Ka mahatoky anao Zahay
Hiady ho anay
Handresy fahavalo
Mitady hampimalo
Finoanay izao
Ny handresy toa anao

Raha momba ny asanao (eny eh)
Ekenay atao(eny eh)
Na iza ho be lazao (eny eh)
Ny eninay tsy ho lao (eny eh)
Fa ny anay tsotra ny teny
Rehefa eny dia eny
Tsy hivadika ho non
Na hoe asian-condition
Eny ho mandrakizay
Eninay tsirairay
Eny ho vono-kanompo
Hanompo Anao Jesoa soa
'Lay eny ho doria
Enin'ny AMPIFITIA

Raha momba ny asanao (eny eh)
Ekenay atao(eny eh)
Na iza ho be lazao (eny eh)
Ny eninay tsy ho lao (eny eh)
Fa ny anay tsotra ny teny
Rehefa eny dia eny
Tsy hivadika ho non
Na hoe asian-condition
Eny ho mandrakizay
Eninay tsirairay
Eny ho vono-kanompo
Hanompo Anao Jesoa soa
Ilay eny ho doria
Enin'ny AMPIFITIA
Enin'ny AMPIFITIA
--------
Rohy:
Hevitra
andriamahandry ( 24/11/2015 07:31)
HATSIAROVAKO AN'ILAY BANDY AKAMA !
emmanuelandriarahanitriniaina ( 07/07/2022 18:32)
Tena mahafinaritra ilay hira
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIFITIA
Vangy : 30020
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : kasimodo
Daty : 03/09/2012 16:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748