Anatra 1 (AMPIFITIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifalia ianao ry Zatovo, saingy aza hadinoinao
Fa mbola hoentina hotsaraina ianao, ka tandremo zato fiainanao.

1) Manao azafady, sy manao aza fondro, eny manao aza tsiny re ry Zandry a! fa
Tsy te-hanan-dratsy Zokinao ka dia hiteny sy hananatra, fa tsy tafandry mandry, fa
Ianao dia notezaina tamin'ny fomba kristianina, zay vanona sy ara-panahy, ka
Nampanaovina sekoly alahady ianao, chorale ary STK a!

Saingy tatohoato, gaga aho mahita izato toetranao sy zato fihestikao, fa
Mandika didy folo, tena mavarilavo, ary koa manao zay tsy fanao, ka
Chorale ve ry zandry dia hanao fomban-jiolahy, sy manao fomban-jentilisa, ka
sady misotro tôaka, no mifoka rongony sy sigara, mijanga sy maditra

O ry zandry a!.. o ry zandry a! mba miovà! O ry zandry a!.. o ry zandry a! mba mibebaha
O ry zandry a!.. o ry zandry a! mba miarenà! .. o ry zandry a! mba miverena hoa...!

2) Ndriko kosa zandry, dia ambarako etoan fa! Mampiaiky tsotra izao! fa
Vao telo taon'izay, dia noraisin'ho mapndray indry! fa hoe! Efa olombaovao, ka
Kanef'izao sahady dia efa higagambahoaka ny fombandry, ny toetra sy fitafy, fa
Indry aloha dia janga sy jejo, ary maola! sady tia mampirafy, hein!

Hidiran-dry daholo, ny sampana sy fikambanana,zay misy tovolahy, ka
Ny Dorkasy tsy tian-dry, fa an'ny antibavy hoy indry sady ts'isy lehilahy, ah?
Nefa indry chorale, VFL, SAMPATI SAFIF, no Croix Bleue

O ry zandry a!.. o ry zandry a! mba miovà! O ry zandry a!.. o ry zandry a! mba mibebaha
O ry zandry a!.. o ry zandry a! mba miarenà! .. o ry zandry a! mba miverena hoa...!

3) Azafady Zokilahy, raha tsy maintsy hiteny zandrinao! sy tsy maintsy hivolana, fa
Ianao Dekônna, taloha biraon-tsampana ary izao biraom-piangonana, fa
Fa hoentinareo aiza, ty fiangonana'Andriamanitra! Novidiny lafo ty, fa
Manao ny tsy fanao, tsy manaraka ny baikon'i Jesoa Kristy, ka

Aiza ve ry zoky, dia hanitatra fiangonana ianareo! ka dia bal no hatao
Ho fitadiavam-bola hanaovana ny tranon'Andriamanitra! Manota tsotr'izao
Kevoka ery ianao, manentana ny olona! hitsangana! handihy
Sy hividy reo tôaka lafo vidy, champagne, cognac, labiera, whisky!

O ry zoky a!.. o ry zoky a! mba miovà!.....O ry zoky a!.. o ry zoky a! mba mibebà
O ry zoky a!.. miverena re! modia! .. o ry zoky a! ... ao ami- Jesô tia!

4) Miala tsiny zokivavy, raha hiteny sy handon-databatra aho! Mananatra anareo
Fa tafahôatra lôatra ny hataonareo! zokinay! ao am-piangonana ao
Fa mifaninan-dratsy amin'ny haingo sy harena ka! mifandrafy sy miady
Tsy tahotra tsy henatra, fa dia mifampigafy sy! mifangala-bady

Faly ery nareo rehefa manao rakitra! aterin'eny aloha
manôatra noho ny mannequins fa dia mihaingo fatratra! Mizesta tokoa
Ny akanjo fohy kely, ny tratranareo dia mila hiseho avokoa
Vao mamindra nareo, na mihondrika kely dia io! fa mitanjaka tokoa!

O ry zoky a!.. o ry zoky a! mba miovà!.....O ry zoky a!.. o ry zoky a! mba mibebà
O ry zoky a!.. miverena re! modia! .. o ry zoky a! ... ao ami- Jesô tia!

O ry zoky a!.. o ry zoky a! mba miovà!.....O ry zandry a!.. o ry zandry a! mba mibebaha
O ry zoky a!.. miverena re! modia! .. o ry zandry a! ... ao ami- Jesô tia! LAY TIA!

A/C : Tonton Dédé
--------
Rohy:
Hevitra
njivaandriamahenintsoa ( 24/11/2017 07:34)
Mba mangataka Clips amin'io hira io azafady, mp3 ihany koa
mitiaralala1 ( 22/03/2019 19:42)
Tsy mba misy pdf ve? ??
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIFITIA
Vangy : 9752
Mpankafy : 8 Ankafizo
Nampiditra : Mitati
Daty : 25/07/2016 11:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0848