Aiza ho aiza ? (AMPIFITIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ho aiza? Aiza ho aiza namako ô!
Aiza amin'ny fiainanao
Ireo Tenin'i Jesosy
Ilay manao hoe:
Tiavà ny namanao tahaka ny tenanao
Moa va arahinao

Aiza ho aiza?Aiza ho aiza Neniko ô!
Aiza ho aiza aminao?
Ilay hafatr'Izy Tompo
Ilay manao hoe:
Tiavà ny fahavalonao, izay manenjika anao
Mivavaha hoazy

Tsisy tianao afa-tsy ny tenanao
Izay zahanao dia ny ho anao
Tsy hataonao raha tsy misy soa ho anao
Ka ny hafa namanao, tsy rarahanao
Izay miady aminao, ireo fahavalonao
Mainka koa hiadianao, hanangananao
Ireo izay mandrafy anao ka manenjika anao
Tsy tianao maizaina, tena halanao

Aiza ho aiza?Aiza ho aiza zandriko ô!
Ny fanarahanao ilay Tenin'ny Tompontsika
Ilay manao hoe:
Iray ihany isika tena iray isika
Tsisy Jiosy na Grika

Saingy izao tsy misy tianao
Raha tsy ireo mitovy aminao
Ny havanao, iray fihaviana aminao
Iray filoevana aminao, iray kilasinao
Ary dia kapoakanao sy tena angadinao
Ny manavakavaka, mihatakataka
Fidifidinao izay hiresahanao
Ka izay lalovanao, mikorontana

Aiza ho aiza ianao ry fiangonana ô
Amin'ireo teny ireo?
Tenin'i Jesoa, Teny ho anao
Nefa sahy tsy harahinao
Aiza ho aiza ianao ry olombelona ô
Aiza ianao amin'ireo?
Tenin'i Jesoa ilay Mpamonjinao
Indro haverina aminao

Raha misy tia Ahy hoy i Jesoa
Dia hitandrina ny Teniko izy
Ary ny Raiko ho tia azy
Ary hankao Aminy izahay
Raha tia Ahy ianareo hoy Jesosy
Dia hitandrina ny didiko
Ary ny Ray hanome anareo
Ny Fanahiny Masina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIFITIA
Vangy : 4557
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Anjara03
Daty : 11/01/2017 10:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722