O avia!!! (Ampifafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nanolotena ho ahy Ianao mba hanavotra ahy
Nomboina Ianao dia nombohina
Niaritra ny mafy tokoa
Tsy mba nitaraina Ianao
Niaritra fahoriana
R'Ilay Zanak'Andriamanitra Avo
Maty noho ny heloko

Ref: O! Avia miantso anao ny Tompo o o!!!
O! Avia f'efa nodioviny ianao o o!!!
O! Avia miandry anao ny Tompo o o!!!
O! Avia miandry anao Izy

Jesosy ange Ilay namonjy anao mba tsy ho faty
Raiso Izy anio ho ao amponao
Fa ho velona ny fanahinao
Tsisy foiny ho very na koa ho ringana ny tany
Fa samy ho tody sy hiara-tsambatra
Aminy any an-danitra

Ref...

A/C: Santatra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ampifafi
Vangy : 1222
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Ampifafi
Daty : 18/10/2017 14:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752