You are here: home > Tononkira > AMFM

FAKAM-PANAHY (AMFM)

Namely tampoka, FAKAM-PANAHY
Tsy sahy nijoro aho nihemotra
Ny manodidina nandatsa ahy
Toa very hevitra aho, tsy hita ny hatao

Jesosy kosa tsy hanao ahy toy izany hoy aho nandinika
Manome famonjena ho an’izay miaiky fa meloka
Teo aho vao nahatsapa, fa hay lalana malama
Ty nalehako, ty nalehako, ka efa lavo aho

Ampitson’iny sendra namana aho
Nitondra ahy aminâtononkira.serasera.org€™ny lalana iray
Toa mahafinaritra, fakam-panahy
Variana teo aho, voafitaka

Jesosy anefa tsy nitsahatra ny niantsoantso hoe modia ianao
Hadinonao sahady ve ilay lova vonona ho anao an-tranon-dray
Teo aho vao nahatsapa, fa hay lalam-pahotana
Ty nalehako, ty nalehako, saiky very aho
Teo aho dia nanovo hery, ka noraisiko ny lalan-tery
Izay efa fantatro, fa hitondra ahy any an-danitra
Gaston

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMFM
Mpamaky : 1079
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Antsakely
Tamin'ny : 06/02/2014 12:18:34
ID : 6455

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo