You are here: home > Tononkira > AMFF

VOLA (AMFF)

1)-Mifoha vao maraina, izao ny ao an-tsaina dia vola
    Hariva ny andro, mody masoandro dia vola
    Vao tonga ao an-trano, ny vaovao avy any dia vola
    Matory am-pandriana, ny vavaka hadino fa vola



                              IN-2    Ny vola no fototry ny ratsy eto an-tany
                                        Ny vola no mety tsy hatongavantsika any an-danitra any
                                       Jesosy anie miantso antsika@ zany  (vola izany )
                                       Ho very anie izay miaina @izany


2)-Izao no azo ambara, ny filazantsara Tsiky dia ampyJesosy
    Manafatra antsika @zao vola izao Jesosy
    Vohay ny fonao dia handroso Izy izao Jesosy
    Efa miandry elabe, fitiavana anie hoa Jesosy



                          IN-2       Izaho anie tsy milaza hoe ratsy ny vola
                                       Ny fiainana mandrakizay aza atakalo vola
                                       Ho avy anie ny fotoana tsy hampoizinao (tampoka be)
                                       Ny fanampahan-kevitrao no andrasany anie

                                                                                CHORALE MAROMIZAHA FIDERANA-ANKADIVORIBE SUD

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMFF
Mpamaky : 30
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : fraiderica2018
Tamin'ny : 08/10/2018 18:35:02
ID : 11026

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo