Itodiho ny Fireneko (AMFF ANTOKO MPIHIRA FEON'NY FITIAVANA)

Ray tsitoha o! Itodio ny Fireneko
Fa miandrandra fatratra ny famindramponao
Aza afoy re, fa tsinjovy
Anehoy ny herinao
Atsangano e! fa endrey tsy maharintena
Injao mirongatra avokoa, ireo haratsiana
Ka mavesatra ao am-po, ny adim-panahy
Fandrobana , herisetra, feno habibina no indreo
Manamaloka ny androm-piainanay

Ref:
Mivavaka aTsiky dia ampyho Raiko
Vonjeo re ity Taninay
Faingana Jehovah o!
Hampitony izato tebitebinay
Ka ny helokay avelao
Sitrano ity Nosinay
Soloy hazavana, ilay haizina hatrizay

Rainay be indrafo o!
Aza halavirinao
Ireo Fanahy izay miezaka mba
Hanakaiky Anao
Mihorohoro ny fonay
Aoka re ampy zay
Soloy hazavana, ilay haizina hatrizay
Dia ho sambatra tokoa
Ity Nosindrazanay.



Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMFF ANTOKO MPIHIRA FEON'NY FITIAVANA
Mpamaky : 270
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : itakocom
Tamin'ny : 12/01/2018 14:00:02
ID : 10266

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo