Ampianaro aho Jesoa (AMFF ANTOKO MPIHIRA FEON'NY FITIAVANA)

1- Ampianaro ity foko
Tsy hila sitraka aman'olona
Tsy hieboebo ihany koa
satria hoe: manam pahalalana be
Fa hitoetra ho mpanompo
Ho velona ho an'ny hafa
Ampianaro mihintsy aho Jesosy o
Hahay hanetritena

2- Ampianaro ity foko
Tsy hitompo teny fatratra
Tsy hiolonolona rehefa mandray
ilay fahamarinana
Fa hakamamy fandeferana
sy fiantrana
Ampianaro mihintsy ahtononkira.serasera.orgo Jesosy o
Hahay hanetritena

3- Ampianaro ity foko
Tsy hamorona sain- dratsy
Tsy hitana lolom-po na fankahalana
fahatezerana
Fa hankato ny teninao ho feno
Ny fanahy
Ampianaro mihintsy aho Jesosy o
Hahay hanetritena

Ref:
Asiko mafy ny tenako ho mangana
Ka andevoziko
Fandrao na dia efa nitory tamin'ny sasany
aza aho de ho lavinao
Ampianaro mihintsy aho Jesosy o!
Hahay hanetritena

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMFF ANTOKO MPIHIRA FEON'NY FITIAVANA
Mpamaky : 260
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : itakocom
Tamin'ny : 12/01/2018 13:44:00
ID : 10264

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo