TIAKO IANAO (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Marary ny aina tsy eo ianao
Nihafy aho, niharitra hatrany
Nafeniko ao anatiko ao mba ho ahy irery ihany

Tsy tanty ilay hoe tsisy anao
Na hiambo ary tsy haneho ny tomany
Tsy eken’ny saina anefa ny hiaina tsy hilaza an’izany

Bridge :
Te hiantso ny anaranao
(Ary) Antenaiko fa mbola hiaino (hiandry) ahy ianao

Chorus :
Androany aho mba hamela ity foko hanambara
Tsy aritro intsony, tsy andriko ny hahita anao
Nanahy aho, ka aleoko hijery ny any afara
TIAKO IANAO, tsy hiova, tsy hanary anao
M m m m m…

Ekeko fa variana ihany aho
Indraindray toa tsy heno hatrany
Iriko mba ho tsapanao fa mandalo ihany izany

Hinoako anefa indray andro any
Ny hahita azy tsy anaty tomany
Ho fihiniko ary hanao izay mety aho
Ho azy irery ihany

A/C : KIX
AmbondronA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 21766
Mpankafy : 8 Ankafizo
Nampiditra : leloulou
Daty : 02/05/2012 19:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1977