Tafandria-mandry (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa hariva ny andro, dia eto foana aho
Efa mody ny masoandro, nanatitra anao
Hanohy no fanirina nefa tsy afaka atao
Ka ato anaty mangina, miandry ny hafatrao.

Na dia mihaona azy isika, ny andro mazava
Dia toa sary indray mipika, ny alina koa ity no lava
Ka ho fehin'ny androany, hanoraty toa ny omaly
Hoe tena tia anao, malaelo ahy no faly

Mba antsoy na andefaso hafatra, satriko aza isan'andro
Tsy hoe mitalaho, na mila vaniny aho,
na dia hoe TAFANDRIA MANDRY
Fihina sy oroka mamy

Variana sy sondriana, miandry ilay fotoana
Malahelo olon-tiana, tsy ahitan-teny toa moana
Soraty andefaso zay mba tiana, zaho efa tsindrindaona
Raiso, avy ato am poko no hamaliako, hoe izaho koa tia foana

Mba antsoy na andefaso hafatra, satriko aza isan'andro
Tsy hoe mitalaho, na mila vaniny aho,
na dia hoe TAFANDRIA MANDRY
Fihina sy oroka mamy

Ooh, tsy fanahy iniako, ny hanembona anao alohan'ny andriako
Ooh, zay ny faniriako ho entiko ho nofy, fa tsy andry ny ampitso..
--------
Rohy:
Hevitra
jaritsiry2 ( 19/02/2016 20:45)
tena tiko be io hira io omeo solf ze mahay ooo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 14284
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : minione
Daty : 11/02/2012 12:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4985