Mandrakizay (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avelao hanaraka anao
Hanandratra avo hatrany ny anaranao
Efa tao am-poko hatrizay…
Ka raha sendra sarotra indraindray
Eo foana Ianao ry Ray
Ampy hanazava, hitari-dalana

Ref:Na ho mafy aza ny fiainana iainanay ety
Dia tsy hampanahy f’Ianao hanarina
Hatramin’izay aho tsy nanao izay sitraponao
Ka ny androko sisa dia hatokako ho Anao…

Mahatsiaro ihany aho ny fiainako tsy ampy
Manahy hatrany ny anio sy ny ho avy
Toa zary fitarainana
Nefa teo foana Ianao
Hatramin’izay ka hatramin’izao
Ny fahasoavanao ihanyTompo ô!
No naha toy izao anay

Réf:

Ireo namana sy ny manodidina ahy
Hanompo Anao
Raha mbola eto an-tany hatrany an-danitra anyEeee!!!!!…

Mandrakizay, raiso ho Anao ry Ray
Tano ho Anao ny tenanay, fonay
Hanompo Anao ka tahio ry Ray
Ho fahazavanao, tano ho Anao izahay

Mandrakizay, raiso ho Anao ry Ray
Tano ho Anao ny tenanay, fonay
Hanompo Anao ka tahio ry Ray
Ho fahazavanao, tano ho Anao izahay

Mandrakizay, raiso ho Anao ry Ray
Tano ho Anao ny tenanay, fonayHanompo Anao ka tahio ry Ray
Ho fahazavanao, tano ho Anao izahay

Ray! Ray! Ray! Ray!Haleloia! Haleloia!ouh!ouh!ouh!Ray! Ray! Ray! Ray!Haleloia! Haleloia!ouh!ouh!ouh!Ray! Ray! Ray! Ray!Haleloia! haleloia!ouh!ouh!ouh!Ray! Ray! Ray! Ray!Haleloia! haleloia!ouh!ouh!ouh!Ray! Ray! Ray! Ray!Haleloia! Haleloia!ouh!ouh!ouh!........
AMEN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 8429
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : franckiantenaina
Daty : 29/01/2016 19:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0774