Ilay tanana (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay toerana taloha nahitana ny hatanorana
Fonenana fahiny nandalovan’ny fahazazana
Toeran’ny fahendrena, ilay toeran’ny hadalana
Nahitana ny mangidy sy nahitana ny mamy
Nilalaovana fahiny
Raha mbola tsy nanan-tsiny
Nahalalana ny fitia
Taty aoriana, ary ankehitriny

Tsy inona ary izany fa ilay tanana
Atolotray ity vazo ho an’ireo akama
Sy ho an’ireo izay hiaraka aminay

Totohatra lavabe izay mitondra ny anarany ihany
Misy vavam-biby iray raha midina ambanimbany

Nilalaovana fahiny
Raha mbola tsy nanan-tsiny
Nahalalana ny fitia
Taty aoriana, ary ankehitriny


Tsy inona ary izany fa ilay tanana
Atolotray ity vazo ho an’ireo akama
Sy ho an’ireo izay hiaraka aminay

Ho anareo mpanotrona, nahandro izahay, nanokona
Indreto izahay mivondrona hivazo ho an’Ambondrona
Ilay tanana nahabe,ô,ô,ô
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 7894
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : naughty
Daty : 06/12/2006 12:17
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1542