HO TSAROANA (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia tsy ho anjara
Na tsy hiara-dia aza isika
NA @ zavatra hafa
Na @ lalan-kafa no hivily
Ho mpinamana no fanirianao nefa indrisy
Toa sampanana ka nizara ny lalantsika

REF:Ny adiady izay natao
Ny hanihany izay fanao
Sy ireo sangisangy ao an-tsaina ao e!
Ireo zavatra mba vita sy ireo toerana efa hita
Ireo hira sy ny sisa dia ampy ahatsiarovako anao


Amin’izao fotoana izao mba hafa ny lalanao
Ankehitriny kosa mba hafa ny lalako
Izaho anefa mino
F’ianao tsy hanadino toa ahy
tsy fanahy iniana
Fa tsapan’ny fo sy fanahy

NY adiady........
Ampy ahatsiarovako anao!

Tonony sy feony :BERANTO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 9508
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 14/08/2004 06:37
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122