You are here: home > Tononkira > Ambondrona

Azy ny azy (Ambondrona)

Tsy tiako kosa, tia fosafosa ianao
Mba mahalala menatra ihany re, fa efa olon-dehibe
Na ny fiainany io, na ny fitiavany io
Dia ny momba azy aloha no avelao, tano ho anao ny anao..

Dia aoka ho azy ny azy, tsy idiranao izany
Ny anao jerena aloha, aza ratsy loha

Tsy ianao no hilaza, fa ny mTsiky dia ampyomba azy
Ary aza miseho mahalala koa fa toe-tsaina tsy mahasoa
Dia aza miteny lava, tsy anao rery ny vava
Fa izay mangina volamena sady izay no fahendrena

Dia aoka ho azy ny azy, tsy idiranao izany
Ny anao jerena aloha, aza ratsy loha

Fiainana nodiaviny ireny, fitiavana nomeny
azy ny azy, f'aza mifampiteniteny...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ambondrona
Mpamaky : 4306
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : minione
Tamin'ny : 11/02/2012 12:42:42
ID : 6054

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo