You are here: home > Tononkira > Ambondrona

AMBONDRONA (Ambondrona)

Toerana taloha nahitana ny hatanorana
Toerana fahiny nandalovan’ny fahazazana
Toeran’ny fahendrena nitoeran’ny  hadalana
Nahitana ny mangidy sy ny nahitana ny mamy


Nilalaovana fahiny(raha) raha mbola tsy nanan-tsiny
Nahalalana ny fitia ,taty aoriana ary ankehitriny

Tsinona izany,fa ilay tanàna,atolotray mpivazo
Ho an’ireo akama sy ho an’ireo izay hiaraka aminay
oh oh oh oh

Botry lava be izay mitondra ny anarany any;
Misy vavam-biby raha midina ambanimbany

Nilalaovana fahiny (raha) raha mbola tsy nanan-tsiny
NahalaTsiky dia ampylana ny fitia,taty aoriana ary ankehitriny
Tsinona izany,fa ilay tanàna ,atolotray mpivazo
Ho an’ireo akama sy ho an’ireo izay hiaraka aminay
oh oh oh oh

Ho anareo mpanotrona,na andro izao na mora
Indreto izay mivondrona, vazo an’AMBONDRONA
Hira iray ,tanàna nahabe ,oh oh oh oh


Tsinona izany,fa ilay tanàna ,atolotray mpivazo
Ho an’ireo akama syho an’ireo izay hiaraka aminay
oh oh oh oh

Ho anareo mpanotrona,na andro izao na mora
Indreto izay mivondrona, vazo an’AMBONDRONA
Hira iray ,tanàna nahabe ,oh oh oh oh
Tanàna nahabe,oh oh oh

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ambondrona
Mpamaky : 5941
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : hnjakaniaina
Tamin'ny : 20/09/2003 07:46:07
ID : 1955