TRANON'ANDRIAMANITRA (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tranon'Andriamanitra dia masina
Izay natao indrindra hivavahana
sy trano 'zay natokana hanompoana
ho fitaizana finoana

Misy ireo tsy mba menatra
manary fako am.piangonana
ka na ny bonbon na ny biscuit
ariany ao ny fonony

Misy manary vovoka
rehetra mankao am-piangonana
tsy mba mamafa tongotra
'ndraidray toa tsy miraharaha

Misy anefa mihevitra
ny tranon'Andriamanitra
ho fieren'ny jiolahy
ka dia manafina endrika

Misy any am-piangonana
no entina hanakonana
ireo fakon'ny fahotana
afenin'ao ny hadalana

tonony&feony;: Rahaingomahefa Pascal
23/01/15
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 1441
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : miorarobson
Daty : 19/02/2015 09:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1597