IANAO NO MAHALALA (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Tompo o!ianao no mahalala
na ny fipetrako sy ny fitsangako
Ianao irery mahalala ny ao am-po
hitanao ny ratsy sy ny soa

1.ny omaliko efa voavakinao
ka ifonako ry Tompo oh
zay tsy sitrakao
ny androaniko dia mivelatra Aminao
zay sahaza ho ahy
ry Tompo oh
dia tanteraho

2.Ny ampitsoko efa voasoritrao
ekeko avokoa ry Tompo oh
zay tinendrinao
Ny fahalemeko na ny fahombiazako
efa fantatrao ry Tompo oh
fa mbola tianao....

efa fantatrao ry Tompo oh,fa mbola tianao....

tonony &feony; : Rahaingomahefa Pascal
01/07/13
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 1275
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : miorarobson
Daty : 23/03/2015 14:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2988