Vaovao mahafaly (Ambasadora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iza no hangina ka tsy hilaza, vaovao mahafaly ho antsika re
F’ ilay Mpanjakan’ny mpanjaka no ho avy ka hobio

V:Asandrato avo ny fanilo, akariko mafy koa ny feo
Mba hilazako izay inoako
Ho avy indray kristy
Dia ilazao koa ny malahelo sy reo ory am-panahy
Fa tsy ho ela dia hisava ny fahoriana, fahoriana

L: Asandrato asandrato hakariko ny feo
Mba ilazako ho avy , ho avy indray kristy
ny mpanavotra ilay zanany
Dia lazao, dia ilazao koa,sy ireo ory am-panahy
Dia hisava, ny fahoriana, fahoriana

Na any avaratra na atsimo, na ny andrefa atsinana e
Samy mandre fa ho avy Izy koa mifalia re

Tsisy hilaza fa tsy nahalala, na mainty fotsy na mavo e
Ny fitoriana ny fiaviany ho an’ny olona e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ambasadora
Vangy : 1605
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : iriana.ranaivo
Daty : 27/07/2017 12:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763