Ray sy reny (Ambasadora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rankizy mihainoa ny ana-drainao
Mankatoava ny ana-dreninao
Fa ny hafa tsy hahavita anao
Hafa ihany ny ray sy reninao

Ref: Fitiavan-dray, fitiavan-dreny
Mitsinjo ny zanany
Mirary soa raha vao miteny
Mahasoa ny anatra omeny

Ny zaza mankatoa mahafaly ny ray
Handova fitahiana rahatrizay
Ny zaza mafy loha mampahory ny reniny
Mahafoy ny andro ireny

Rankizy manajà ny ray sy reninao
Dia ho maro andro sy ambinina ianao
Izay mahay manaja no omem-boninahitra
Na aiza misy azy, honina finaritra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ambasadora
Vangy : 2461
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Merlia
Daty : 25/02/2016 15:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1193