Hoderaiko Ianao (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

Hoderaiko Ianao ry Ray.
Nametraka ahy hanjaka eto an-tany.
Ankalazaiko Ianao fa tapitr'ohatra.
Ny fahendrenao tsy hita lany.
Ianao nanao ny alina,ho fitsaharan'ireo zava-boahary.
Miandrandra hafaliana sy maraina vaovao.
Avy Aminao indray.

Ref:Ny masoandro raha miposaka.
Dia mitondra hazavana indray mitosaka.
Ho faTsiky dia ampynilon'ny natiora falifaly.
Miara-mankalaza an'Andriamanitra.
Mpahary izao rehetra izao.

Diso lalana izahay,mazana tsy mahay.
Mifidy ny tsara.
Tsy mahafantatra izay mahasoa.
Tinendrinao ho anay,mba ho anjara.
Tsy mba tia ny ratsy anefa Ianao.
Ka manamboatra ny ao am-po tsy hitroatra.
Mampitony 'reo filana tafahoatra.
Ka dia ho deraiko Ianao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Mpamaky : 214
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Ruthkwl
Tamin'ny : 20/04/2017 09:17:52
ID : 9376

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo