Hangina aho (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hangina aho ry Tompo,hangina tokoa.
Fa mamolivoly ny fo.
Tsy haiko lazaina,tsy tratry ny saiko.
Izay niaretanao,ho fanavotana ahy.

Ho takatry ny saiko ve,
Ny haben'ny fitiavanao.
Ka nitondranao mafy tahak'izao.
Ho haiko tantaraina ve,
Ny fomba namonoana Anao.
Ka nentinao tany Kalvary.

Hangina aho ry Tompo,hangina tokoa.
Ho rakitra ato am-poko ny fitiavanao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Vangy : 2301
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ruthkwl
Daty : 20/04/2017 09:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4365