Avia Fanahy (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O avia, avia Fanahy Masina ô !
Mitoera ato am-poko ianao
Indraindray aho toa variana ety
Tsy mahatsiaro Anao Tompo tia
Mifona re ry Ray, mitalaho
Raiso aho ho zanakao
O avia, avia Fanahy Masina ô !
Mitoera ato am-poko ianao
Mahatsiaro aho fa mpanota
Ka miangavy ny indrafonao
Tsy mendrik’aho ry Ray ka havaozy
Diovy ho tempolinao
O avia, avia Fanahy Masina ô !
Mitoera ato am-poko ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Vangy : 4770
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lebota
Daty : 03/11/2005 09:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3033