Miantso anao (AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Misy feo miantso ry tanora
Feo miantso anao ankehitriny
Feon'ilay Jesoa miantso mora
Feo miantso anao ka mba valio

REFR:

Efa mody ny masoandro fa hariva
Hoavy ny aizim-pito eny ho avy ny aizim-pito
Aza dia mangatak'andro lava
Fa fohy ny andronao ety

2- Misy feo miantso mitalaho
Miantso anao hiantra ny malemy
Miantso anao hamahana ny noana
Feo miantso anao ka mba valio

REFR:

Efa mody ny masoandro fa hariva
Hoavy ny aizim-pito eny ho avy ny aizim-pito
Aza dia mangatak'andro lava
Fa fohy ny andronao ety
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena)
Vangy : 1338
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : bigdog
Daty : 08/11/2014 17:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713