Aiza ho aiza (Alson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ho aiza re no ahitako olona iray ahasolo ny toeranao
Toerana lazaina fa tsisy ahasolo
Nefa voatery hitady izaho noho ianao
Zary nofy ilay fitia mamy sy efa nomenao ahy
Ilay nofy saingy fery tsy hay fafana ao anatiko ao
Izany voninahitra izay hiravaka ny anaranao
Indrisy anefa ianao efa namorona vaovao
Mbola zaza moa ny tena tsy hay izay lalana ho aleha
Izay rehetra ita eny
Mijanona aza mandeha
Navadiky ny andro , navadiky ny taona
Tsy hita teo foana hy endrikao
Tapirra hatreo ny momba ahy ,ny momba anao
Asandratro ny feo raha tsy eo ianao

Aiza ho aiza e ny lalana tokony aleha
Hitadiavako ahasolo anao anie
Ahitako hasambarana
Any ho any ve misy toerana iray ahitako anjara ho ahy
Dia hanaiky hanaja tanteraka izy
Ka dia faty no hisarahanau
Ka tsy ho nofy fa fitia mamy sy izay nomeny ahy
Toy ilay nofy izay mitoetra tsy hay fafaa ao anatiko ao
Dia ho avaliko amin'izay ny tantarako taloha
Za tsy hoe adala , ianao no ataoko ampiasa loha
Ka hanenjika anao ilay nenina izay vita
Avela avy eo ianao tsy anjara koa ny antsika roa
Nivadiky ny andro , navadiky ny taona
Tsy hita teo foana ny endrikao
Tapitra hatreo ny momba ahy ,ny momba anao
Asandratro ny feo raha tsy ianao

Aiza ho aiza
Aiza ho aiza
Aiza ho aiza
Aiza ho aiza
Aiza ho aiza
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Alson
Vangy : 5188
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/02/2015 12:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722