Ritsoka (Alitara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ritsodritsokin'ny fo mitempo fitia no asandratro androany e
bitsibitsikin'ny saina nivadika ho haravoana tsy lany e
hantahantan'ny zanaka faly aok'izany migoka ny mamy e
hetahetam-panahy maniry hatrany hotantananao

ho Anao no anolorako ny foko androany
ho Anao irery ihany na ho mangidy io na ho mamy e
foiko ho Anao ny fiainako eto an-tany e
fa Ianao no mpamonjy ahy ary mbola hanangana ahy e
any am-parany any

niady mafy ho ahy Ianao mba ts'isy harombaka ahy eo an-tananao e
tsy navelanao ho irery aho fa notsimbininao sy narovanao e
na ny ainao aza moa dia efa natolotrao anavotana ahy e
tsy hovoavaliko Tompo f'isaorako indrinadra ny Anaranao ....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Alitara
Vangy : 10514
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ralita123
Daty : 13/08/2014 15:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2921