Ianao no tokiko (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ianao Jesosy no tokiko sy heriko
Ianao no manoro lalana izay alehako
Lalana marina sady soa,
mitarika ahy hanao ny tsara
Lalana tsy mba manary an-davaka

Ref : Koa dia ambeno izahay
mba tsy hivilivily lalana
Fa izay atoronao anay no arahina
Esory ireo sakantsakana
izay mibahana
ny lalan-tsara izay natoronao anay

2- Tafio hery koa izahay ry Tompo ô
Omeo anay ny fanahinao hampatanjaka
ny finoanay toa hihemotra
noho ireo sakan-dalana maro,
Ampaherezo izahay fanahy ô!

Ref : Koa dia ambeno izahay....

T/F: R.T. Rodolphe
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)
Vangy : 2070
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Herizo15
Daty : 04/12/2014 22:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788