Aminao no ametrahako (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Atolotro ho Anao Jesoa
ity foko ka raiso sy anjakao.
Omeko ho Anao avokoa
ny momba ahy rehetra ry Tompo ô

Ref1 :
Am-pelatananao ny fiainako,
Ka amboary ny fisainako
Mba tsy hanaiky ireo fakam-panahy
Fa mba hijoro tsy misy ahiahy
Tompo ô, aminao no ametrahako
ny androm-piainako

2- Ilay ranao soa nitete
No nanafaka ahy tamin'ny otako
He babonao tokoa ity foko
Ka raiso ho lapanao

Ref 2:
Raha Ianao no mitantana ahy
Dia foana hatreo ireo ahiahy;
Ny herinao no iankinako
Ka tsy hanan-tahotra intsony ity fo
Tompo ô, aminao no ametrahako
ny androm-piainako.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)
Vangy : 1170
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Herizo15
Daty : 12/04/2016 19:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3772