Mbola ho avy ny andro (Aina Quach & Erick Manana)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Aina Quach & Erick Manana
Mpamaky : 5343
Nampidirin'i : tsimanontanilahy
Tamin'ny : 06/06/2009 07:27:50
ID : 5527

Imprimer Facebook Facebook
Mbola ho avy ny andro ahatsiarovanao ahy,
Amin’ny ora tsy ampoizimpozina,
Mbola ho avy ny andro hampahory ny fanahy,
Hanembona ahy ianao ka hiodinkodina,

Mbola ho avy ê ! irony nenina ê !
Hitsako ny hadalàna, hangidy izay telina ê !
Mbola ho avy ê, hangirifiry be,
Efa tsinjoko hatraty sahady fa ho ranomaso be,

Mbola ho avy ny andro hanakoako an-tsofinao,
Ireo dinantsika izay nosehinao,
Mbola ho avy ny andro hivatsy ny famerim-bolanao,
Hohitanao eo ihany izany ngidiny à !

Mbola ho avy ê tsaroako tsara anie
Fony aho nilaozanao anie ka nahatsiaro fanina ê
Mbola ho avy ê, tsy ho ela akory anie
Mbola higoka ianao ny ngidin’ny ranomaso nateliko ê.