Tsy mahagaga (Aina Cook)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mahagaga toy izao
Raha toa nosoloiny ianao
Olon-kafa vaovao ny anilany eo

Ref : Vao niandoha dia fantany
Toa nahatsapa izy hoe resinao
Ka niaretany avokoa ireo toetranao

Noheverinao adala angamba izy samirery
Tsy ahalala fitia tsy ho azy
Nataony am-po tadidiny satria mafy
Fony izy nanjohy ny hafa

Dia nafoiny nosoloiny ny momba anao
Nohadinoiny tsy hisy intsony
Tsy ho azy ianao tsy ho azy ianao

Fahotana avy aminao
No nahatonga izao rehetra izao
Mety ho tsapany tokoa
Raha niova ianao
Ref:
Vao niandoha...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Aina Cook
Vangy : 5152
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 12/04/2006 14:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1418