Tsy hanam-pahataperana (Aina Cook)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia mbola zaza dia efa hary saina
Sady mahalala mahay nitantara
Ny fiainana tsy mora
Tsy maintsy misy banga
Nefa dia nakotsa misavika saranga
Ny masoandro nilaza nahalalako fa
Misy anjara ho ahy ao aminy
Ilay tarany nataony manerana ahy
Isam-baravarana
Tsy nisy natao hifidy ny tsikiny
Na niangarana tsy nomeny
Ilay hazavana atoliny tsy azo ferana
Tsy hanam-pataperana
Ny tsy fananana dia fahavalo tsy voafefy
Tonga isan’andro handrendrika ny resy
Fa ny fanantenana tsy mba mamela irery
Manampy isan’andro an’ireo izay tena very
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Aina Cook
Vangy : 9432
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : gogoblie
Daty : 18/06/2006 06:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736