Hira iray (Aina Cook)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nanalavitra ahy,
Takona tsy tazako intsony
Ilay endrikao, nambabo ahy
Nitorotoro teo ny foko,
Any aminao ny saina
Manoratra hira ho anao
Ny foko mitaraina
Hetraketraka,
Masiaka ny fiainana,
Manasaraka
Isika samy mbola tia,
Nefa nozarainy
Tsy nifankahita
Soa fa nifankatia

Raha any ianao
Henoy aho
F’ity hira ity anie no antenaiko
Hanambatra antsika indray.
Raha henonao,
Dia mino aho
F’izaho sy ianao tsy hangahiahy
Izy no hampiray,
Hira Iray

Ka n’aiza ianao
Dia tiako fo fantatrao
F’ity hira ity
Hira ho antsika,
Milaza fa mbola tia, indrisy
Tafasaraka tsy fidiny
Ka any andro iray
Hiara-hikalo azy indray
Ilay fihaonantsika no mba iriako
Hiara-mandihy
Amin’ilay hirantsika sy anao
Isika hampiaram-peo
Tena ho mamy indray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Aina Cook
Vangy : 4295
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 20/10/2015 10:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0775