You are here: home > Tononkira > Aina Asr

Literatiorako (Ft. Raffan) (Aina Asr)

|
Eh! reraka ny fo
mafy ny tolona ety
nivezivezy teo
ireo fahoriana (mangidy).
  Aizina no iainana
  mila ho kivy aho
  hitady ny mazava
  tsy izaho irery fa...
|
[ref]:
       Tompo ô! vonjeho
       izao tontolo izao,
       ka mba raiso ré,
       ho eo antananao.
|
       Ôh ka mba raiso
       ho eo antananao.
|
Mitolona ady mafy
ka ampaherezo ny foko
hizàka ireo tsy satrTsiky dia ampyy
fa fiainana eto antany (no ho ahy).
  Hiantso Anao izao
  mahalàla ny anaranao,
  ôh mino Anao ry Ray
  tsy izaho irery fa...
|
[ref]...
|
"Kanefa izao no tsarovy
ho fampaherezana :
Mandalao izao fiainana
izao sy ny filàny;
Fa izay manao ny
sitrapon Andriamanitra
no maharitra mandrakizay."
(1Jaona 2:17)
|
[ref]'...[ref]'...
|
    Ôh ka mba raiso
    ho eo antàntananao
    izao tontolo izao.
|

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Aina Asr
Mpamaky : 731
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : ainaasr0
Tamin'ny : 02/06/2016 10:17:46
ID : 8577

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo